<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Misy didy tena tsara
 Izay nomen'ny Tompo hoe :
 Mba mifankatiava tsara,
 Hianareo izay mino e !
 // Ka miraisa //
 Izao no didy lehibe. (in-2)

[V2]
 Tonga Jeso mba hanompo
 Sy mba hampihavana ;
 Tsy mpanaraka ny Tompo
 Izay tsy tia namana.
 // Ka tadiavo //
 Izay ho fampiraisana.(in-2)

[V3]
 Fa iray tokoa ny Loha,
 Dia Jesosy Zanaka,
 Endriky ny Ray Tsitoha,
 Izay halaina tahaka.
 // Tsy ho resy //
 Raha miray ny tafika. (in-2)

[V4]
 Jeso no Ilay foto-kazo,
 Tena voaloboka ;
 Ka ny sampana halazo,
 Raha tafasaraka.
 // Ikambano //
 Ka aza mba mihataka. (in-2)</lyrics>
<title>Misy didy tena tsara FFPM534</title>
<hymn_number>534</hymn_number>
</song>